Welcome to WordPress. This is your first post. Edit
Vita ny fanarenana sy fanatsarana ny làlan-tany mirefy 9km sy 400m mampitohy ny làlana RIP 118 sy ny kominina MANDISO.Izao no tanteraka dia tafiditra ao anatin’ny Programan’asan’ny Governoran’i Faritra Anôsy, mba hanatanterahana ny veliranon’Andriamatoa Filoham-pirenena ,ka hahafahan’ny vokatra sy ny olona mifamezivezy amin’ny alalan’ny fampifandraisan’ny kaominina samy kaominina.Marihina fa ireo fitaovana( milina vaventy) avy tamin’ny fitondram-panjakana no nampiasaina , ary ireo teknisianina avy ato amin’ny Governoran’ny Faritra no nanatontosa ny asa.